« Forum des entrepreneurs » : hampivoarana ireo orinasa madinika

Hatao etsy Antaninarenina, ny 8 sy 9 Novambra izao, ny « Forum national des entrepreneurs », andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny club des entrepreneurs MED Aina vao, tohanan’ny Madagascar enterprise de développement. «Renforcer la viabilité des entrepreneurs malagasy », io ny lohahevitra mandritra izany. Hiompana bebe kokoa amin’ny fanampiana torohevitra hampivoarana sy hampiseho ny orinasa madinika ny dinika. Horesahina ao koa ny fomba fanatsarana ny fomba fiaina tsara ho an’ireo mpandraharaha. «Maro ny orinasa mitsangana eto Madagasikara, nefa mikatona avokoa ny ankamaroan’izy ireny eo amin’ny fahatelo sy fahadimy taonany ka antony nisafidianana ny lohahevitra », hoy Ramananjato Miora Fanomezana, tomponandraikitry ny hetsika, nandritra ny fampahafantarana izany tetsy Tsaralalàna, omaly. Nambarany fa tsy ampy fampiofanana ny mpandraharaha amin’izao fotoana ka antony mahatonga azy ireo mora mikatona. Manampy izany koa ny tsy fandriampahalemana ara-toekarena sy ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola ilaina amin’ny faharetan’ny orinasa. “Tanjona ny hanomezana fiofanana arahina tantsoroka ho an’ny olona mitondra tetikasa, mba hamadihana ny hevitra ho lasa asa mampidi-bola », hoy i Nirinaharison Mirana, mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny MED. Ahitana valandresaka sy atrikasa maro eny an-toerana, mandritra io roa andro io. Eo ny fampirantiana samihafa ireo vokatra novokarin’ny orinasa sy ny mpandraharaha mikambana eo anivon’ny club des entrepreneurs MED Aina vao. Hisy koa ny fifaninana eo amin’ireo mpandraharaha. Ahazoana tantsoroka mitentina 2 250 000 Ariary sy lelavola mitentina 600 000 Ariary ho an’ny mpandresy.

Mino

Partager sur: