Naratra ny renim-pianakaviana iray nendahin’ ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Anosibe, omaly atoandro. Mody niditra toy ireny mpandeha ireny ilay jiolahy teo Anosizato Atsinanana. Niala teo amin’ny fiantsonana eo Anosibe Tsena izy ka nalainy an-keriny ny finday teny am-pelatanan’ny renim-pianakaviana iray sady nivoaka ny varavaran’ny fiara izy.
Mpandeha iray maty, am-polony naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Andatambo, afakomaly. Niainga avy any Beroroha io fiara io. Noho ny haratsian-dalana, niharan-doza tampoka ny fiara. Namoy ny ainy ny olona iray raha toa ka manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly ao Toliara ireo folo naratra.
Dahalo mpangalatr’omby voasambotry ny zandary tao Ambondromamy, ny 2 novambra teo. Nalainy tao amin’ny tanànan’Ambato-Boeny ny omby miisa roa. Nanao fikarohana ny tompon’omby sy ny mpitandro filaminana. Tafaverina amin’ny tompony ireo omby halatra.
Naiditra am-ponja omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny teratany vahiny iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Nikasa hivarotra izany izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Fonosan-drongony maromaro no tratra tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny polisy.