Notanana am-ponja ireo roa lahy tratra nanao diplaoma bakalorea hosoka tao Fianarantsoa, afakomaly. Mpiasam-panjakana misotro ronono ny iray. Nahatrarana fitomboka maromaro misy ny anaran’ny tomponandraikitry ny Oniversite ao an-toerana teny amin’izy ireo.
Kamiao iray nizara telo niharan’ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, miala ny tanànan’i Moramanga, omaly. Nivoaka ny arabe ny ampahany tamin’ny fiara.