Kenpo/MMA : nahafa-po ny taom-pikatrohana 2022

Fahombiazana tanteraka no azon’ny federasiona ma­lagasy ny Kenpo/MMA, nandritra ny taom-pikatrohana 2022. «Saika vita avokoa ireo fampiofanana, ary vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny fifaninanam-pirenena, izay nahitana fiakarana lentan’ny teknika», hoy Rakotonindriana Parfait, filohan’ity federasiona ity, izay nanamafy fa isan’ny tena nahitana fivoarana be ny avy any amin’ireo faritra hafa, toa ny ligin’i Vakinankaratra sy Ma­tsiatra Ambony. Notsiahivin’i Parfait, fa nitiliana sahady ireo handrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2023, tanterahana any Por­tugal amin’ny volana marsa 2023 izy iny, ka mikasa handefa mpiady 4 na 5 i Ma­dagasikara saingy miankina amin’ny hoenti-manana izany. 30 tapitrisa ar any ho any moa no ilaina, ahafahana mandeha, izay iantsoany sahady ireo mpanohana, hanolo-tanana amin’izany. Mahakasika izay hatrany, mbola andrasana ny daty sy ny firenena, hanatanterahana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2022, izay tsy vita fa nahemotra. Ho antsika manokana, efa fantatra ny solontena, ahitana an’i Tojo Heriniaina, ho an’ny latsaky ny 52kg, Rakotomaria Tsinjo (-61kg) ary i Hantasoa Nirina Marina(-47kg). Efa vonona ara-batana izy ireo, hoy hatrany Rakotonindriana Parfait, fa miandry ny daty sisa ary mazava ho azy ny hoenti-manana.
Mahakasika ity federasiona ity hatrany, miandry ny taratasy fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena izy ireo, ahafahany miasa malalaka sy hatokisan’ireo mpanohana, izay ny orinasa Telma no tena mpanohana azy hatreto. Efa mahatratra hatramin’ny 300 ireo mpikatroka eo amin’ity taranja ity avy amin’ireo ligy rehetra misy.

Mi.Raz

Partager sur: