Ambony ny moralin’ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar na nisy fisavoritahana kely aza. Vonona ny ekipa. Hiatrika lalao tsapa atsy Tonizia mialoha ny Chan 2023 ry zalahy .
Ho fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, tanterahina any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary 2023, hiatrika lalao firahalahiana hisedrana sady hitsapana ireo mpilalao atsy Tonizia, ny Barea de Madagascar. Araka ny fanambarana nataon’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF), omaly alakamisy, fihaonana roa no hataon’ny Malagasy amin’izany.
Voalohany, ny fihaonana amin’ny ekipam-pirenen’i Niger dia ny Menas, izany. Ny faharoa, hifanandrinana amin’ ny Demony menan’i Congo Brazzaville. Ireo lalao roa ireo dia samy hatao ao amin’ny kianja Tabarka, ao Tonizia avokoa.
Tsiahivina fa ao amin’ny kianja Constantine, ny vondrona “C” misy ny Barea de Madagascar, no hiatrika ny fifanintsanana amin’ity “Chan 2023”, ity. Hikatroka voalohany amin’ny Barea de Madagascar, ny Kintana maintin’i Ghana. Lalao hotontosaina ny 15 janoary ho avy izao. Ny fihaonana faharoa, hifandonana amin’ny Lionan’i Atlas n’i Maraoka, ny 19 janoary ary ny lalao fahatelo, hifanandrinana amin’i Soudan ny 23 janoary 2023. Hiatrika ny ampahefa-dalana, ny ekipa roa voalohany.
Hijanona 25 ihany ny isan’ny mpilalao ho any Alzeria, amin’ity saingy anarana 23 no atao ao anaty taratasin-dalao, hiatrika ny “Chan 2023”. “Hialana amin’ny ratra mety hahazo ny mpilalao mandritra ireo lalao fitsapana roa ireo, ny antony nampitomboina ny isa ho 25”, hoy i Roro, mpanazatra ny Barea de Madagascar.
Notsiahiviny fa tsy ho soloina ny toeran’i Tsilavina (Drogba), izay niala tao anatin’ny ekipam-pirenena. Hanainga, ny alatsinainy 2 janoary ho avy izao ny Barea de Madagascar ary hijanona ao Tonizia, hiatrika lalao fitsapana roa vao hiazo an’i Alzeria.
Tompondaka