Olan’ny Barea Chan : “Niteny ratsy ahy ny mpanazatra” hoy i Tsilavina

“Opa reny sy tabataba ary hatezerana, nasesikin’ny mpa­nazatra, raha toa ka hiala-tsiny sy hanazava ny antony nahatara ahy, ny tenako.” hoy i Fanomezantsoa Tsilavina na i Drogba, mpilalao an’i Fosa Junior Boeny, tao anaty tambajotra serasera, omaly. Tsia­hivina fa, niala tao anaty fampivondronan’ny Barea, teny Carion, i Drogba, ny asabotsy lasa teo. Noho ny tsy fifankazahoana nisy teo aminy sy i Rakotondrabe Romuald (Rô­rô), mpanazatran’ny Barea.
Raha hiverenana ny zava-nisy, nasaina naka ny pasipaorony i Drogba, ary nomena fe-potoana hiverenana any Ca­rion, hatramin’ny 7 ora hariva. Saingy tamin’ny 10 ora alina ny tenany vao tonga, ary nisy lehilahy roa sy vehivavy iray mitondra zazakely, niaraka taminy. Rehefa nosavaina ny kitapony, nahitana zava-pisotro mahamamo. Niangavy azy ny mpanazatra, mba hampody ny vahiny, raha tsy izany dia izy koa no mandeha mody miaraka amin’izy ireo.
Tezitra ny lehilahy, ka nangorona ny entany, ary nody avy hatrany.
Raha ny filazan’i Drogba, “Tamin’ny 12 ora sasany aho niainga teny an-toerana, mba haka ny pasipaoroko tany an-trano, sy ny an’i Berajo, teny Ankadifotsy. Rehefa tonga tao an-trano aho, nitady an’ilay karatra vaksiny Covid. Avy eo, niezaka nitady bus, teny Mahazo, saingy efa hariva ny andro ka tsy nahita intsony. Niverina nody naka “moto” ny tenako, ary niangavy an’ny zokiko sy ny vadiny ary ny zandriko lahy hanatitra ahy, noho ny tsy fandriampahalemana misy, amin’ny andro hariva. Noho ny orana dia tojo olana ny “moto” an’ny zokiko, ka voatery mitarika anazy aho, mandrapaha tonganay tany Carion. Ary io no antony nahatara ahy. Niantso an’i Berajo aho, dia nilaza taminy fa efa ho avy, fa somary taraiky noho io olana io. Ary namaly ahy izy, fa tezitra i “Maitre Rôro”, ka tokony efa ho tonga aho. Tamin’ny 9 ora sasany ariva izahay no nigadona teny an-toerana. Tsy zakako loatra ny tenin’ny mpanazatra ,…, lazainy fa olon-tiako ilay vadin’ny zokiko, ka nahoriko ny entako, lasa niverina nody niaraka tamin’izy ireo aho”.
Ankoatra izay, “Tsy marina ny filazana fa nitondra toaka aho, fa “biscuit” sy zava-pisotro na “jus”, nafaran’i Berajo no tao anaty kitapoko.” hoy ihany i Drogba.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: