Rugby – “XXL Top 20”: ho fantatra rahampitso izay hanao famaranana

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny lalao manasa-dalana roa hiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ ny sokajy “federal II”, taranja rugby. Fihaonan’ny samy kartie no hitranga amin’izany. Hifanandrina ny CRAI sy ny CEA ary ny 3FAI sy ny XV FA.

Hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, rahampitso, ny lalao manasa-dalana roa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “federal II”, taranja rugby “XXL Top 20”. Hangotraka avokoa ny fihaonana satria adin’ny samy kartie. Anisan’ny miavaka ity indray mitoraka ity satria ekipan’Ambalavao Isotry roa no indray miatrika izany dingana ankatoky ny famaranana izany, dia ny CRAI sy ny 3FAI.
Tsy hifandona avy hatrany anefa izy ireo fa samy manana ny mpifanandrina aminy. Ny CRAI hifampitana amin’ny CEA Andranomanalina. Ekipa samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta. Heverin’ny rehetra anefa fa hanana tombony ry zareo Andranomanalina noho ny fananan’ireo mpilalao efa zatra fihaonana goavana toa an-dry Mika, mpitsara baolina hikoizana.
Na izany aza, tsy avelan’ny CRAI hametraka izany lazany izany izy ireo fa hotoheriny. Manana mpilalao tanora sy havanana ihany koa mantsy ny CRAI. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny maro ihany koa ny an’ny 3FAI sy ny XV FA Andohatapenaka. Raha ara-taratasy aloha ambony ny ekipan’Ambalavao Isotry. Misy ireo mpilalao kinga sy mailaka ary teknisianina eny ambony kianja. Tsy hitazam-potsiny anefa ny XV FA fa tapa-kevitra ny haka fandresena. Izy ireo rahateo efa nampiseho endri-dalao nahavalalanina nandritra ny ampahefa-dalana. Hiady tanteraka, araka izany, ireo manasa-dalana roa ireo. Ho resy izay diso teknika amin’ity indray mitoraka ity.
Irarian’ny rehetra kosa mba ho mpitsara matihanina, mahay mitantana lalao no hitsara ny fihaonana satria lalao goavana no hatrehina.

Fitia Randria

Partager sur: