Raha mbola eto Antananarivo, tsy nisy tsy nahatsikaritra ireo mpitsoka mozika etsy sy eroa. Nihamaro izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao, ary mbola hihabetsaka amin’io fifampiarahabana noho ny taom-baovao io. Fahasahirana anefa ny ao ambadik’izany…
Nahitana azy ireny foana isan-taona, rehefa manakaiky ny fetin’ny faran’ny taona, fa indrindra ny voalohan’ny taona. Tsikaritra anefa tato ho ato fa efa mandavan-taona no hita sy heno eny an-dalambe sy eny an-tsena rehetra eny ireo, mpitsoka mozika sy mively amponga. Nihamaro mihitsy aza, satria saika ahitana tropy roa na telo eny amin’ireo tsena lehibe toa an’Anosibe, Mahazo, Namontana, Isotry, sns. Toraka izany koa ny eny an-dalambe rehetra eny, rehefa mety ho vorivory olona.
“Tsy dia mahazo vola firy izahay rehefa andavanandro, saingy aleo manao an’ity satria samy tsy misy asa intsony”, hoy Razily. Mpitarika sy mpitaty rakitra ny tropy iray mpilalao eny amin’ny tsenan’i Mahazo. Any Ambadik’Anjeva ry zareo no mipetraka, ka mila manenjika ny saran-dalana mandroso sy miverina izy dimy mirahalahy mandritra izany. “Tsy vita ny mody isan’andro satria na ny sakafonay aza indraindray tsy tratra. Misy efitrano kely hofainay hatoriana fotsiny amin’ny alina ka rehefa mba mahangona kely vao mody”, hoy hatrany ity mpitsoka trompetra an-dalambe ity. Na izany aza, nambarany fa rehefa malala-tanana ny mpihaino, mahazo hatrany amin’ny 40.000 Ar izy ireo mandrapaharivan’ny andro. “Misy fotoana aza, misy miantso tampoka eo izahay hoe mba anaovy hira toa izao, dia sady manonona vola ireo. Matetika eny akaikin’ireo toeram-pisotroana ireny no tena hazahoanay vola”, hoy hatrany Razily.
“Fangatahana” ankolaka
Taloha, sarotsarotra ny maka mpitsoka mozika, indrindra rehefa fotoanan’ny lanonana toa ny famadihana sy ny hasoavan-jaza. Amin’ izao kosa, sanatrian’izany lasa “mpangataka ankolaka” ireo mpitsoka mozika izay manan-talenta. Hafa ireo tena mpangataka izay mivelively amponga sy mihirahira eny an-dalana, fa ry zalahy ireto kosa tena tropy mpanafana fety aman-danonana no tratran’ny tsy azo hanoharana.
Tsy ny mpitsoka mozika ihany anefa no “mpangataka an-kolaka eny an-tsena sy eny an-dalambe eny! Ao koa ireo mpitari-pivavahana izay tena nitobaka be, mitondra “baffle” tokana, mitory teny, mandihy ary mandefa hira fiderana. Mazava loatra fa ny tanjona voalohany ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fiderana. Tsy azo lavina kosa anefa fa ilay rakitra tantazana no tena andrandraina, satria iny no miantoka ny maha olombelona…
Zo ny Aina