Vina taona 2023 : hisy ny fihaonamben’ny mpampianatra valiha

Iray amin’ireo zavamaneno hita manerana an’i Mada­gasikara ny valiha. Miha maro ny efa liana aminy, indrindra fa ny Malagasy. Tsy vitsy ireo niroso amin’ny fampianarana azy ity. Vokatr’izay, samy manana ny fomba heveriny fa hoenti-mampita fahalalana ny mpampianatra tsirairay. Taha­ka izany ihany koa ny fandaharam-pianarana. Mba hampifanatona akaikikaiky kokoa ireo mpampianatra sy ny fandaharam-pianarana ampiasainy, tafiditra ao anatin’ny vinan’ny taona 2023 ny hanatanteraka fihaonam-ben’ny mpampianatra valiha. « Mety tsy ho vita indray mandeha izy io fa hotanterahina in-telo miatoana », hoy ry zareo avy ao amin’ny Valiha Académie, iray amin’ireo foibe fikarohana sy fampianarana momba ny mozika manomana ity fihaonana ity.
Amin’ny ankapobeny, mizara telo ny fomba fampianarana valiha eto Madagasi­kara. Ao ireo manaraka ny fomba fampianarana mozika fampiasa maneran-tany (ma­naraka solfezy). Misy ny mam­pita fahalalana amin’ny alalan’ny maso mijery sy sofina mihaino (fanaon’ny Mala­gasy fahiny). Misy ihany koa ireo nanamboatra na namorona fomba hafa (codification) ahafahana mitendry valiha.
Raha tsiahivina, misy karazany vitsivitsy ny valiha (araka ny akora nanamboarana azy, ny firafitry ny feo ao anatiny…). Iray amin’ireo dingana lehibe nodiavin’ny tantaran’ny valiha ny namoronan’ny mpikaroka ny « valiha chromatique ». Ankehitriny, mi­sy karazany ihany koa io karazam-baliha io.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: