Ima Faneva : «Nasaiko nifona i Tsilavina Drogba»

Mbola ambetin-dresaky ny rehetra foana hatreto ny fialan’i Tsilavina (Drogba), tao amin’ ny Barea de Madagascar. Manoloana izany, nandroso vahaolana i Ima Faneva ka niangavy ity mpilalao ity hifona amin’ny mpanazatra.

Tsy nitazam-potsiny na­no­loana ny olana mampifanolana an’i Tsila­vina (Drogba) sy ny mpanazatra ny Barea Chan, An­dri­an­tsima Faneva Ima, kapitenin’ ny Barea teo aloha. Vao naheno ny zava-nitranga ny tenany, avy hatrany dia niantso an’i Drogba ka niangavy azy hifona. “Amin’ny maha mpilalao sady kapitenin’ny Barea teo aloha ny tenako no itenenako eto. Na iza diso na inona zava-misy, ilaina ny fanetren-tena. Tsy ao anatin’ny fo mafana no handraisana fanapahan-kevitra. Mandehana zandry mifona, fa tsy maha menatra izany. Tompon’an­drai­kitra feno ny mpanazatra amin’izay ataony”, hoy i Ima Faneva, nandritra ny resaka an-tariby nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny Taratra, ny alakamisy lasa teo.
Notsiahiviny fa raha sanatria ka nisy namono tany i Drogba ka maty na naratra mafy, tompon’andraikitra vo­a­lohany ary tsy afa-miala ny mpanazatra. Lojika raha toa ka tezitra ary nahatafavoaka teny mahery, tamin’ity mpilalao ny tenany. Izany anefa tsy tokony hialana ao anatin’ny ekipam-pirenena.
Tsy vahaolana ny fialana an-daharana

Nomarihiny fa tsy zava-baovao ao anaty ekipam-pirenena ny fifanolanan’ny mpilalao sy mpanazatra fa zava-pitranga matetika. “Efa niharan’izany ny tenako fa tsy niala tao anaty ekipa mihitsy aho fa nandeha nifona satria izay no anjaran’ny mpilalao. Manetry tena fa tsy handeha hanamarin-tena lava izao”, hoy hatrany i Faneva Ima.

Nambaran’ity kapitenin’ ny Barea ity fa manana tanjona ianareo mpilalao ary io “Chan 2023” io, misy ny hoavin’ny mpilalao tsirairay. “Hitazana anareo izao tontolo izao, ka mila mampiseho ny talenta ahitan’ny “agent recruteur”, avy any Eoropa, anareo. Mijere lavitra, banjino ny ho avy. Ankoatra izay, misy vola raisina ny fiatrehana io lalao io ry zalahy, koa araraoty ny “occasion”. Mi­fankatiava, hajao ny mpanazatra sy ny mpitantana. Araho an-tsakany sy an-davany ny toromarika rehetra omeny. Alefa Barea”, hoy i Faneva Ima, namarana ny teniny.

Torcelin

Partager sur: