Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny taranja Tae-Kwon-Do WT, ny ligin’ Atsinanana. Hotanterahina ny 5 ka hatramin’ny 7 janoary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny sokajy rehetra. Hiady izay ho lohany amin’ izany, ireo ligy 9 mandrafitra ny federasiona.
Hanana ny lanjany manokana ity fihaonana ity, satria hitiliana izay handrafitra mialoha “pre-selectionnés”, ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), tanterahina eto Madagasikara. Hizara roa miavaka tsara ny fizotry ny fifaninanana. Hanokatra izany ny 5 janoary ny “poomsae” na ny fihetsika mirindra. Ny “kirougui” na ny ady kosa ny 6 sy 7 janoary.
Araka ny fantatra, mandray anjara avokoa ny atleta rehetra na ireo tompondaka farany aza. Ampiasaina amin’ity fifaninanam-pirenena ity ihany koa ny “système électronique”, amin’ny ady ataon’ ny mpikatroka. Ampiharina amin’izany koa ny lalàna vaovao mifehy ity haiady ity. Raha tsy misy ny fiovana hotanterahina amin’izao ihany koa ny fivoriambe ara-potoan’ny federasiona ka hanaovan’izy ireo ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ny ara-moraly, izay hiandrasana “quitus”, avy amin’ireo ligim-paritra.
Tompondaka