Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady teo, ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fikambanan’ny silamo malagasy (FSM). Tonga maro nanatrika izany ireo mpino silamo sy ny olo-manan-kaja maro avy eto an-toerana. Fotoana nifanomezan-tanana teo amin’ny mpino silamo sy ny fanjakana malagasy. Antenaina ny hitohizan’izany ho fampandrosoana ny firenena. « Mafy orina ny fikambanana FSM noho ny fifankatiavana sy firaisankina eo amin’ny samy mpino silamo, izay efa finoan’ny razantsika niorina tamin’ny taona 1974 », hoy ny filohan’ny FSM, Absouary Saïd Arsène, teny an-toerana. Nambarany fa mampifandray ny fanjakana amin’ireo mpino ary mandrindra ny zava-drehetra momba izany ny finoana Islamo eto Madagasikara. Nisongadina nandritra ny fankalazana, ny fifaninanana mamaky ny boky masina koràny, nandraisan’ny maro anjara. Ankoatra izay, miantso ny vahoaka malagasy hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana ny 11 desambra ho avy izao ihany koa izy. Tonga nanome voninahitra io fankalazana io ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin.
Mino