Misaona ny tontolon’ny taranja basikety malagasy. Nodimandry, omaly 1 janoary, i Hajaniaina Veve Prince (Veve Jump).
Mpikambana tao amin’ ny federasiona malagasy ny basikety (FMBB), ny tenany. Aretina homamiadana, efa nikiky azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany. Anisany tena nahafantarana azy, ny fikarakarana ny fifaninanana “Tournoi Jump”. Fifaninanana, natao ho an’ ireo mpianatra, tany amin’ny taona 1990 – 2000. Efa mpandrindra ny fifaninanana nasionaly ny taranja rugby ho an’ny mpianatra koa izy. Namela mananon-tena sy kamboty mirahavavy, i Veve.
Izahay eto amin’ ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny basikety.
Fitia (Mpianatra Asa)