Rasoanaivo Razafy Laura (Judoka)
-Vinako amin’ity taona 2023 ity, ny hampitombo ny isako hahazoako ny tapakila hiatrehana ny Lalao olympika 2024. Hiezaka ny hitazona ny anaram-boninahitra efa eo ampelatanako aho. Fanamby ny hahazoako ny tompondaka an’i Afrika sokajy Junior. Ankoatra izay, haka medaly amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika sokajy Senior. Hanao izay aha-tompondaka amin’ny lalaon’ny nosy 2023. Ankoatra ireo ny fanatanterahina ny tetikasako amin’ny hoaviko eo amin’ny fanatanjahantena”.
Randriamampionona Elly, (Ankoay basikety)
– Hampitombo ny fanomanan-tena aho amin’ity taona 2023 ity. Tafiditra amin’ny ho fiatrehana ny fiadiana ny amboara erantany 3×3. Torak’izany ny fanomanana ny lalaon’ny nosy, hatao eto Madagasikara. Matoky aho fa hahazo amboara ny ekipa malagasy, amin’ity fifaninana ity. Laharana fahatelo ny antenaiko ho azontsika, amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3. Hiaraha-mahita eo ny vokatra fa mila fanomanana matotra sy mafy mba hahazoana fandresena.
Razafinirina Stephanie (Mpiangaly Bodybulding)
-Hiezaka hampiakatra ny haavo teknika sy ny fahaiza-manao amin’ity taona 2023 ity. Tanjona ny mba hahatsara kokoa ny vokatra, indrindra fa ny lalao iraisam-pirenena. Ho tsara noho ny vokatra azo tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany farany teo, izay nahazoana laharana fahatelo maneran-tany, teo amin’ny “Women’s Model Physic”, no ho azo amin’ity taona ity.
Nangonin’i Mi.Raz