VAOVAO TAMBATRA

Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN 6, fivilian-dalana any amin’ny tetezana Ifasy, PK 537+329, nanomboka omaly hariva. Tapaka mantsy ny lalana, taorian’ny orambe ny alahady teo. Mitohy ny asa fa­nam­boaran’ny orinasa Colas, ary misy ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Misitraka herinaratra avy amin’ny masoandro ny toeram-pitsaboana CSB II any Toliara II, ao amin’ny kaominina Analamisampy sy ny any Tsianisiha. Nato­lotra ny 29 novambra teo ireo fotodafitrasa ireo. Tafi­ditra ao anatin’ny tetikasa hamatsiana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, miisa 500, manerana ny Nosy izao hetsika izao.
Maherin’ny 7,334 tapitrisa dolara ny fama­tsiam-bola ho an’ny tetikasa Tefiala. Avy amin’ny Ta­hirimbola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany ny vola. Mifantoka amin’ny fiarovana ny tontolo mananaina, ny famerenana sy fampandrosoana ny eny ifotony ny sahandriaka any Mangoky, ny tetikasa.

Partager sur: