Indostria: miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena

Mandray anjara 17% amin’ny harinkarena faobe eto Madagasikara ny sehatry ny indostria sy
ny fandraharahana. Tanjona ny hampakarana izany hatrany amin’ny 30% noho izy antoky ny fampandrosoana ny toekarena.

Tafiditra ao anatin’ny vi­nam-pirenena ny hampiroborobo ny indostria sy ny fandraharahana. « Ampirisi­hina ny tanora handraharaha, ny indostria ihany koa no ha­ha­fahantsika miala amin’ny fa­hantrana sy mampandroso ny firenena », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny in­dos­tria sy ny varotra, Ralam­bofi­ringa David, omaly, nandritra ny fankalazana ny Andron’ ny fampiroboroboana ny in­dostria aty Afrika(JIA), tetsy Anosy. Mandray anjara 15 ka hatramin’ny 17% ny harinkarena faobe ny indostria ka tanjona ny ham­pakarana izany ho 30% izay mitaky ezaka sy fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fanatanterahana azy. Tom­bo­ny ho antsika ny fananana ireo akora fototra entina hananganana indostria sy handraharahana. Azo hofanina sy hampiana amin’ny fampamokarana ihany koa ireo tanora na eo aza ireo olana samihafa sedraina, toy ny fampitaovana izay takin’ny fenitra sy ny tsena eto an-toerana. Mila famatsiam-bola ihany koa ny fanarahana ny fenitra ilaina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy hatrany ny minisitra.

Tohana

Hitondra vahaolana sy hanampy ireo mpandraharaha ny minisitera. Hanampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy ny mahakasika ireo tohana omen’ny banky izy ireo. Manampy amin’ny famantarana ny vokatra ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) amin’ny alalan’ny « label » Malagasy ny antsika. Hanampy amin’ny fametrahana ireo vokatra eny amin’ny tranombarotra lehibe eto an-toerana izany.
Ankoatra izany, nampiranty ireo vokatra ataony nandritra ny JIA, omaly, ireo Malagasy mpandraharaha isan-karazany. Nisy ihany koa ny fanolorana amboara ho an’ireo orinasa mendrika indrindra.

Henintsoa Hani

Partager sur: