Mbola ambany ny taham-pamokarana trondro eto amintsika. Ny taona 2023, manodidina ny 30 000 taonina ny vokatra azo raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 307 000 taonina ny filana isan-taona. « Manana tombony amin’ny famokarana trondro i Madagasikara amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa misy eto amin’ny firenena », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Miisa 17 ankehitriny ireo dobo fiompiana trondro « Zone d’émergence piscicole » (Zep) eto amintsika raha tokony ho 70 isa izany mba hanatrarana ny famokarana 307 000 t izay kendrena ho an’ny taona 2030. Fanamby goavana ho an’ny firenena ihany koa ny hamokatra zana-trondro 600 tapitrisa isan-taona. Hatreto anefa mbola manodidina ny 50 tapitrisa eo ny vokatra eto amintsika, araka ny fanazavana voaray.
Ankoatra izay, hita ao amin’ny fokontany Alakamisy Anivosoa, kaominina Imarofarihy, faritra Fitovinany, ny Zep lehibe indrindra eto Madagasikara. Ho vita ao anatin’ny telo volana ny fananganana ny fotodrafitrasa. Manana dobo lehibe miisa 12 ny toerana, izay mirefy 0,46 ha ary hamokatra zana-trondro manodidina ny 9,2 taonina isaky ny “cycle”. Afaka manao fizaran’asa ao an-toerana mahakasika ny fiompiana sy famokarana zana-trondro ihany koa ireo mpiofana.
Ankilany, afaka mamokatra trondro hatrany amin’ny 18 taonina isaky ny enim-bolana ny Zep noho izy manana laboratoara sy fitaovana samihafa mifameno amin’ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra sy mpikaroka. Manohy fianarana sy fikarohana hanatsarana ny famokarana any an-toerana ireo mpisehatra hanatrarana ny tanjona apetraky ny fanjakana.
Henintsoa H.