PLFI 2025: laharam-pahamehana ireo fotodrafitrasa goavana

Lany tsy nasiam-panovana sy tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimieram­pirenena sy ny Antenimieran­do­holona ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) ho an’ny taona 2025. Mifanojo indrindra amin’ny vinam-pirenena sy fanarenana ireo fotodrafitrasa samihafa mandrafitra ireo fandaharanasa ao anatiny. « Hita taratra ao anatin’ny PLFI ny hanaovana laharam-pahamehana ny olan’ny Jirama », hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Fandriana, Andriamiharivolamena Zava­manitra. Voasoritra mazava tsara, hoy izy, ireo tetikasa fohy ezaka sy lavitra ezaka tanterahina eto amin’ny firenena. Notohizany fa tafiditra ao anatin’ny PLFI 2025 ny fa­nam­boarana ny lalana ao Fan­driana. Manana tahirin-karena ny distrikan’i Fandrina. Hita ao Ankona, kaominina Ankarinoro, ny « chute d’eau » anisan’ny mahasarika mpizahatany izay tantanin’ny Ma­dagascar National Parks. Marihina fa
anisan’ny mamelona ny toekarena sy mampidi-bola ho an’ny firenena ny sehatry ny fizahantany. Tsiahivina fa mi­tentina hatrany amin’ny 535 tapitrisa euros ny vola niditra tamin’ity sehatra ity ny taona 2023.

Henintsoa H.

Partager sur: