Fikirakirana vola niomerika: Miara-miasa ny Airtel money sy ny sekoly Emit

Mitohy sy nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa Airtel money sy ny sqekoly ambony mahakasika ny fitantanana sy ny fikarohana teknolojia, Emit Fianarantsoa. Anisan’ ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana ny fahafahan’ny mpi­anatra mampiasa ny vola niomerika, toy ny fandoavana ny saram-pianarana amin’ny Airtel money. Tsotra, haingana sady azo antoka. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fikirakirana vola niomerika izany, sy hanamora ny fampiasana ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra amin’ny fanabeazana. Manala ny sakana ara-bola sady mampirisika ny tanjona Fanabeazana ho an’ny rehetra.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel money Madagasikara, Randrianarison Heritiana, fa “hampirisihina ny tanora hisitraka ny tolotra fandoavam-bola amin’ny finday, satria tombontsoa lehibe ho an’ny mpianatra ny fanohananay ny fikirakirana ara-bola niomerika, izay maoderina sy ma­hom­by”.
Hampivoatra ny mpianatra tsirairay, sady ilaina amin’ny hoavin’ny toekarena hatanjaka sy andraisan’ny rehetra anjara izany. Hanokatra lalam-baovao ho an’ny fandraharahana, ny fitahirizam-bola ary ny fampiasam-bola, ka hanamafy ny fahaleovantena ara-bola ihany koa.

Njaka A.

Partager sur: