Olana eto amin’ny firenena malagasy ny mbola fahamaroan’ny herisetra an-tsekoly. Anisan’ny lasibatra amin’izany, ny ankizivavy sy ny zatovovavy any am-pianarana. Ilaina anefa ny fandraisan’andraikitry ny sekoly manoloana izany.
“Betsaka voa sy iharan’ny herisetra an-tsekoly ny vehivavy sy ny ankizivavy”, raha ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana ImasoIvoho, izay nanaovan’izy ireo tatitra tetsy amin’ny Carlton Anosy, afakomaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Fitaratra” nanomboka tamin’ny taona 2021 lasa teo izany. Tetikasa nentina niady tamin’ny herisetra an-tsekoly eto Madagasikara koa izy io. “Lehilahy avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao sy mpampihatra ny herisetra an-tsekoly ireo”, araka ny tatitra voaray. Miha mihena ny herisetra an-tsekoly mahazo ny ankizy iray rehefa miha lehibe ny taonany. “Mbola tena mafy kosa izany raha toa ka any amin’ny kilasy ambany ilay ankizy», hoy izy ireo. Ankoatra izay, maro ihany koa ny lehilahy mandray zava-mahadomelina. Efa manomboka midoroka izany ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny kolejy, ankizilahy no betsaka amin’izany, raha ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana.
Be mpanao ny herisetra ara-tsaina
Miseho amin’ny endriny maro ny herisetra eny an-tsekoly. Herisetra ara-tsaina no tena betsaka mahazo vahana amin’ny herisetra an-tsekoly, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Miseho amin’ny endriny maro samihafa izany, toy ny fanalana isan-karazany atao amin’ny ankizy sasany noho ny tsy fitoviana misy amin’ny volo, ny habe, ny anarana ary ny endriky ny vatana. Eo koa ny fametahana anaram-bosotra sy ny maro hafa. Ny fanelezana tsaho ataon’ny ankizy ary ny fanilikilihana ny hafa izay mahatonga ny ankizy tsy manana namana any am-pianarana.
Ireo karazana herisetra
any an-tokantrano
Maro ny antony mahatonga ny ankizy manao ireo karazana herisetra an-tsekoly ireo, raha ny fanazavana voaray. Anisan’izany ireo fihetsika azon’ireo any an-tokantrano sy eny anivon’ny fiarahamonina. “Miaina ao anatin’ny tokantrano feno herisetra ny ankamaroan’ny ankizy, araka izany, ny herisetra hitany eo anivon’ny tokantrano sy eny anivon’ny fiarahamonina no averiny ary ampihariny amin’ny ankizy hafa any an-tsekoly”, hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ity fikambanana ity, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Ankoatra izay, raha ho an’ny resaka zava-mahadomelina indray, tsy mihatra ny lalàna misy ka antony mahatonga ny firongatr’izany. «Ohatra, maro ireo ankizy mividy sigara eny an-tsena, tsy manontany azy ireny ny mpivarotra fa tonga dia manome ilay entana avy hatrany fa tsy manadihady ny taonan’ilay ankizy akory», hoy ny fanazavana.
Manimba ny maha izy azy ny ankizy ny herisetra
Miteraka voka-dratsy amin’ ny fiainan’ilay ankizy ny herisetra mahazo any an-tsekoly. Manamboatra ny maha izy azy ireo ankizy manodidina ny 12 hatramin’ny 19 taona eo. “Rehefa amin’io taona io izy ireo no voabatibaty sy tratran’ny herisetra lava, tonga dia resy sy rava ny maha izy azy tokony homanin’ilay zaza”, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny fikambanana. Nolazainy fa lasa entin’ilay olona mandrakizay izany ary lasa marefo foana izy manoloana ny karazana herisetra mianjady aminy mandritra ny fiainany. Nohamafisiny fa tokony hosorohina ny fitrangan’ny herisetra mianjady amin’ireo ankizy eo anelanelan’io taona io. Mba tsy hanimba ny maha izy azy ilay zaza. Tanjona ny hanatsarana ny fiainan’ilay ankizy any aoriana ary hahafahany miatrika ny karazana herisetra mety mbola hiseho eo amin’ny fiainany koa.
Mila mandray andraikitra ny sekoly
Hiditra amin’ny tetikasa manaraka, mahakasika ny fampandraisaina andraikitra ny sekoly izy ireo manoloana ny fahamaroan’ny trangana herisetra an-tsekoly misy. Zavatra atao mandritra izany, ny fanofanana ireo mpampianatra, ny talen-tsekoly, ny ray aman-dreny ary ny mpianatra. Eo koa ny fametrahana Imasoivoho eny an-tsekoly mba hahafahan’ny ankizy manao fitarainana momba ny trangana herisetra an-tsekoly misy sy mianjady amin’izy ireo. Ankoatra izay, efa mahafantatra ny herisetra an-tsekoly avokoa ny ankamaraon’ny mpianatra fa tsy mbola misy fandraisana andraikitry ny sekoly manoloana izany. “Tsy resahana fotsiny ny herisetra an-tsekoly, fa ilaina fandraisana andraikitry ny rehetra mba hanafoanana azy io”, raha ny nambaran’izy ireo.
Marihina fa nanaovana fanadihadiana nandritra izany ireo ankizy manodidina ny 2 300 teo ho eo nanerana ny faritra efatra teto amin’ny Nosy. Anisan’izany, ny faritra Analamanga, Vakinankaratra. Fanontaniana 15 no natao tamin’ireo mpianatra manerana ny sekoly 60 tamin’ireo faritra ireo, izay niompana indrindra tamin’ny herisetra ara-batana, ara-tsaina, ara-pananahana, ara-ekonomika ary ny fandraisana zava-mahadomelina. Betsaka namaly sy nanaovana fanadihadiana ireo vehivavy, manodidina ny 1 324 teo.
Nanatontosa : Mino