Zazalahy 13 taona hamonjy toeram-pianarana tapa-tongotra niharan’ny lozam-pifamoivoizana tampoka, tao Toamasina, omaly. Mpianatry ny CEG ity tra-doza ity. Nisy olona nijanona tampoka ka antony niteraka ny loza. Io ankizy io izay nandeha “pousse-pousse”.
Vatan-dehilahy 200 nanampy ny tomponandraikitra nanala ilay taksiborosy tra-doza tao Betroka, omaly. Hisorohana ny tranga tahak’ilay niseho herinandro lasa teo, arahi-maso ireo taksiborosy mpitatitra olona avy any Atsimo.
Mitohy ny fikarohana ireo olona dimy anisan’ny nangalatra entana tanaty conteneur tao Tapakala, fokontany Ambodisaina, kaominina Amboditandroho, Toamasina II. Miisa folo ireo olon-dratsy efa voasambotra ny 25 novambra teo ary nifampitadiavana ireo namany dimy. Conteneur miisa fito novakian’izy ireo.
Nosamborin’ny zandary ny ramatoa iray nahatrarana gazoala 120 litatra tao amin’ny fokontany Antsangambato, CR Tsarahasina, distrikan’ny Boriziny, afakomaly. Fiara mpitatitra entan’ny Jirama, toy ny andrin-jiro sy kojakoja samihafa avy any Toamasina, nikasa ho any Ambilobe, io niharan’ny fangalaran-tsolika io.