Mifanimbazimba ny samy Malagasy: niteraka resabe ny zava-niseho teny Ambohimanga

Vao niatomboka andro vitsy ny taona 2023, nipoirana zava-mahavariana teny Ambohimanga, araka ny voalaza sy miparitaka be ao anaty tambajotran-tserasera. Voalaza fa nisy nametaveta ireo toerana manan-kasina.

Niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera samihafa ny vaovao nilaza fa : «Fotoana manan-tantara ny andro androany 29 desambra teny Ambohimanga izay niarahana tamin’ny tobim-pifohazana teny an-toerana ! Nanao diabem-panafahana nitety ireo doany rehetra…». Mpandala ny fomban-drazana maro no naneho ny heviny momba io tranga io. Anisan’izany ny hoe : «manana endrika fametavetana ireo toerana manan-kasina eny Ambohimanga ny tahaka izao». Ao koa ny hoe : «maninona raha mifanaja fa samy manana ny inoany», sns.
Amin’ny fotoana tahaka itony no mampisongadina ny fahombiazan’ny paikady nentin’ny vahiny sy ny forongony hizarazarana ny samy Ma­lagasy. Nampidirany karazam-pivavahana sy finoana maro i Madagasikara. Ni­tsitokotoko nanaraka ireny ny Malagasy. Hadinony tanteraka fa manana ny maha izy azy izy. Tsy nijanona teo amin’ny fizarazarana fa tonga hatrany amin’ny tsy fifanajana miteraka fifanimbazimbana.
Samia masina an-taniny…

Io ihany aloha hatramin’izao no tsara indrindra. Tsy tokony hifampitsabaka na hifampikitika, na sanatria hifampihantsy, na hifanimbazimba, sns, mba hisorohana ny mety ho fisaraham-bazana eo amin’ny samy Malagasy. Saropady amin’ny Malagasy ny finoana sy ny fomba amam-panao ka tokony hajaina fatratra izany. Tsy sarotra amin’ny Malagasy rahateo ny mifanaja satria efa niainan’ireo razambeny.
Na inona finoana na inona hafanam-po na inona finiavana hanao zavatra, «fady» tamin’ny Malagasy ny ma­nimbazimba ny hafa. Tsy zava-baovao amin’ny Mala­gasy ihany koa ny fanajana ny fady. Rehefa fady dia fady ka tsy tokony hatao. Miteraka fisaraham-bazana ihany koa ny fandikana ny fady.

Mila haverina ny fifanajana

Antony iray nampirindra ny fiarahamonina malagasy ny fandalany ny fifanajana. Tahaka izany ihany koa ny fifanomezan-kasina. Tsy niainan’ny Malagasy ny fifanimbazimbana ny hafa sy ny zava-manan-kasiny ary ny fadiny satria fantany fa hiteraka fifandirana sy tsy fifankahazoana ny fanaovana izany.
Anisan’ny mampijoro fi­re­nena iray ny taniny, ny teniny, ny fomba amam-panaony, ny satany, ny olona miaina ao aminy, sns. Mila hajaina ireny raha tiana ny hisian’ny fiarahamonina mi­rindra tahaka ny teo aloha !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: