Kianja Rabemananjara: ho vita amin’ny fiando-han’ny volana febroary

Hiverina ao amin’ny kianja Rabemananjara, ny lalao rehetra ataon’ny Fosa Jr sy ny Tsaramandroso Formation, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Orange Pro League», amin’ny fiandohan’ny volana febroary 2023. Io no nambaran-dRabezafy Fa­bien, lefitra faharoa ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mahajanga, sady mpikambana amin’ny fitantanana ny kianja Rabemananjara.
Fantatra mantsy fa ho tratra ny fe-potoana enina herinandro hanarenana io fotodrafitrasa filalaovam-baolina ao an-drenivohitry ny faritra Boeny io. Raha tsiahivina, efa nanomboka ny alatsinainy 26 desambra lasa teo ny asa fanamboarana ka noesorina tanteraka ilay bozaka artifisialy teo aloha , izay efa tamin’ ny taona 2010 no naha teo azy. Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga amin’ny fiandohan’ ny taona ity ny bozaka vaovao hasolo izany. Ezahina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny kianja, aorian’ny fahavitan’ny asa ka ho afaka handray fifaninanana iraisam-pirenena indray. Tsiahivina fa noho ny faharatsian’ny bozaka tao amin’ny kianja, voatery taty Antananarivo avokoa no nanatontosan’ny Fosa Jr sy ny Tsaramandroso ny lalaony teo amin’ireo andro efatra voalohany amin’ny «Orange Pro League». Hiverina any Maha­janga indray izany, manomboka amin’ny andro fahadimy sy ny manaraka.

Tompondaka

Partager sur: