Notanterahina, omaly, tany Aostralia ny andro faharoa amin’ny fifaninanana taranja tenisy “United Cup”. Faharesena faharoa indray no azon’ ilay Espaniola, Rafael Nadal, rehefa niondrika teo anatrehan’ ilay Aostralianina, Alex De Minaur, tamin’ny seta 2 no ho 1 ( 3/6, 1/6, 5/7). Fihaonana natao tao Melbourne. Mihintsana avy hatrany izany ity mpilalao espaniola ity.
Raha hiverenana ny lalao voalohany nataon’i Nadal, lavon’i Cameron Norrie, mpilalao britanika, tamin’ny seta 2 no ho 1 (3/6, 6/3, 6/4) izy. Lalao izay notanterahina tany Sydney, ny asabotsy 30 desambra lasa teo.
Araka izany, ratsy fiantombohana ny taona 2023 ho an’i Rafael Nadal. Raha tsiahivina, nanao fanamby ny hitazona ny anaram-boninahiny amin’ity United Cup ity izy. Marihina fa izy no tompondaka farany amin’ity fifaninanana ity.
Fitia (Mpianatra asa)