Coalition faim zéro: Hifampizara traikefa ireo mpikambana

Tanterahina eto Madaga­­si­kara mandritra ny dimy andro, ny 16 ka hatramin’ny 20 de­sambra, ny atrikasa ha­nafain­ga­nana ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo manerana an’i Afrika, izay misy ny Von­drona firenena ma­nohitra ny mosary (Coalition faim zéro). Mpikam­bana ao i Bé­nin, ny Re­poblika demokratikan’i Kongo (RDC) ary i Mada­gasi­ka­ra. Hetsika ha­namafisana ny fiaraha-miasa sy hifampizarana traikefa amin’ny fa­natrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD), indrindra ny ODD 2, izay mikendry ny fanafoanana ny hanoanana sy ny fanatsarana ny fiarovana ara-tsakafo. Tanjona ny hifam­pizaran’ireo mpikambana ny traikefany sy hiresahana ireo olana iombonana ary hamolavolana paikady vaovao hanamafisana ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto amintsika.

Fampitaovana
Nisitraka fampitaovana « kit agricole » toy ny masomboly vary voamarina, zezika biolojika sy mineraly, famonoana bibikely ary fitaovam-pamokarana madinika nandritra ny fanokafana ny taom-pambolena tao Ambalafary, distrika Mandritsara, ireo tantsaha mpamboly, ho an’ny faritra Sofia. Nitohy tao Befan­drina Avaratra sy tao Bealana­na ny hetsika hanohanana ny mpamokatra ho fiatrehana ny taom-pamokarana 2024 -2025. Tanjona ny hanatsarana ny voka-bary sy ny fari-piainan’ny tantsaha.

Henintsoa H.

Partager sur: