Fanatanjahantena 2023: laharam-pahamehana ny lalaon’ny Nosy

Hisongadina ho an’ity taona 2023 ity ny fampiantranoan’i Madagasikara ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Fihaonana hotanterahina ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Taranja miisa 14 no hifaninanana amin’izany, ka saika io aloha ny tena maha maika ny rehetra. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo fiadiana ny ho tompondaka eran-tany (Mondial FIBA), miisa roa eo amin’ny taranja basikety, hatrehin’ny Ankoay.
Ny voalohany amin’izany, ny lalaovina olona 5, hatrehin’ny Ankoay sokajy U19 lehilahy. Fihaonana hotanterahina any Hongrie, ao amin’ny kianja Debrecen, ny 24 jona ka hatramin’ny 2 jolay ho avy izao. Eo koa ny an’ny olona 3 (FIBA 3×3 World cup), ho an’ny lehilahy hande any Aotrisy ny faran’ny volana may. Mbola hiatrika ny famerenana na “repêchage”, any Israel.
Hitana ny sain’ny maro ihany koa ny fandraisana anjara voalohany ho an’ny Barea, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, hatao any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny 4 febroary ho avy izao.
Eo koa ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Can 2024, ho an’ny Barea “A”, handraisana an’i Centrafrique, ny volana marsa.

Lalao goavana roa
Fihaonana iraisam-pirenena roa goavana hafa ihany koa tsy maintsy handraisan’i Ma­da­gasikara anjara dia ny andiany faha sivy amin’ny Lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Jeux de la Franco­phonie), hatao any RD Kongo, ny 28 jolay ka hatramin’ny 6 aogositra. Ny lalao afrikanina (Jeux Africains), tanterahina any Accra, Ghana ny 4 ka hatramin’ny 19 aogositra.
Tsy hadino koa ny lalao manasa-dalana, hiadian-toerana amin’ny “Mondial 2025), taranja rugby ho an’olona 15, handraisan’ny Makis vehivavy anjara. Ankoatra, ny lala­on’ny Nosy, ny fivoahana no tena mafonja satria ilana vola, ny fiatrehana ireo fihaonana rehetra ireo.

Tompondaka

Partager sur: