TSELATRA

Na eo aza ny fisian’ireo mpitandro filaminana eo Ambohijatovo, manao ny ataony hatrany ny mpanendaka. Efa-mianaka avy nijery jiro mirehidrehitra teny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo no niharan’ny fanendahan-jiolahy, ny faran’ny herinandro teo. Lasan’ireo mpanendaka ny vola sy ny finday avo lenta avy nakan’
izy efa-mianaka sary.
Voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Mahazoarivo, kaominina Ankazovelo Vangaindrano, ny alahady teo, ny dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny. Nisy trangana fanafihana narahina fakana an-keriny ankizy enin-taona teny an-tanan-dreniny, ny zoma alina teo. Nanapoaka basy ireo malaso nandritra ny fanafihana. Navelan’ireo dahalo kosa anefa ilay zaza rehefa tery ny lalan’izy ireo.
Nahitana taolam-paty marobe tao Bekapaika, distrikan’i Tsaratanàna, ny alahady maraina teo. Teo akaikin’ny tranona fianakaviana iray tao an-tanàna no nahitana ireo taolana 50 ka 44 amin’ireo taolan-dava, raha enina taolana fisaka. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny zandary no nahitana fa efa nafenina nandritra ny fotoana ela teo amin’ilay toerana nametrahana azy ireto taolana ireto. Tsy fantatra ny fasana nakana azy.
Nitrangana haintrano goavana indray tao Ankirihiry Toamasina, omaly hariva. Trano lehibe ity kilan’ny afo ity. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny firehetana fa efa tonga nanao ny asam-pamonjena ny sampana mpamonjy voina. Levon’ny afo avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Na teo aza izany, tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.

Partager sur: