Tao anatin’ny 12 volana : Tsy nitsaha-niakatra ny vidim-bary

Tsy mitsahatra mitombo sady tsy marin-toerana ny vidim-bary nandritra ny herintaona. Nahitana elanelana hatramin’ny 1000Ar isaky ny kilao ny vidiny eo amin’ny tsena anatiny.

Mitombo hatrany ny vi­dim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana, raha nanomboka tany amin’ny 2 400Ar ny kilao ny volana janoary. Ankehitriny, tafakatra hatrany amin’ny 4 000Ar ny kilaon’ny Makalioka, raha 3 800Ar ny « riz de luxe ». Tao anatin’ny 12 vo­la­na, nahitana elanelany hatrany amin’ny 1000Ar/ kilao ny vi­dim-bary eny an-tsena, mbola la­tsaka ny 3 000Ar izany tamin’ ny volana janoary, ho an’ny faritr’i Bongolava. Ny 17 janoary 2024, naparitaka ny vary avy amin’ny State Procu­re­ment Madagascar (SPM) hamatsiana ny tsena ka jifaina 2 700Ar ny kg. Roa volana taorian’io, na­ma­ritra ny vidim-bary tamina distrika maro eto Mada­gasi­kara ny minisiteran’ny Fampi­robo­roboana ny indostria sy ny varotra (MIC).

Niakatra indray

Teo anelanelan’ny volana avrily sy ny volana aogositra, nanomboka niova sy niakatra indray ny vidim-bary. Nahitam-piakarany 200Ar/kg ny vary Makalioka sy Manalalondo, ka lasa 3 300Ar ny kilao. Nilaza ny minisitra Ralambofiringa David, fa « misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpanangom-bokatra ka mahatonga ny fiakaran’ny vidim-bokatra ». Ao, hoy izy, ireo mitahiry ny akora ho volena raha misy kosa ireo mitoto izany hamidy. Ny volana oktobra sy novambra, marin-toerana ny vidim-bary, nanomboka niakatra indray izany ny voalohan’ny volana desambra teo. Lasa 3 400Ar ny kilaon’ny vary Makalioka ny 3 desambra teo, raha mbola 3 100Ar izany ny omalin’io. Niakatra 3 200Ar ihany koa ny vary gasy, raha 3 100Ar izany teo aloha. Voalaza ho anton’ny fiakarana ny fahataran’ny rotsakorana. Ny 16 desambra teo, tafakatra 3 800Ar indray ny kilaon’ny vary Manalalondro, raha 3 600Ar ny vary Makaliola ary 3 900Ar ny Madrigal. Tao anatin’ny telo herinandro, nahitam-piakatrana 100-200Ar ny kilaon’ny vary. Nilaza ny MIC fa misy fiatoana ny fitaterana ny vary avy any Toamasina ka mampiakatra ny vidiny amin’izao saingy efa mametraka paikady handaminana izany ny minisitera.

Henintsoa Hani

Partager sur: