Anisan’ny harenina ny lalam-pirenena faha-11A, miainga eo Antsampanana (RN2) hatrany Mahanoro. Toraka izany koa, ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mahanoro. Efa misy orinasa tsy miankina ihany koa manao ny fanadihadiana mahakasika ny lalana mampitohy an’i Mananjary, Nosy Varika, Mahanoro ary Vatomandry. Nanamafy ireo ny minisitry ny Asa vaventy, nandritra ny fandalovany tany Mahanoro, ny 28 desambra teo.
Manana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro, ny tobim-pahasalamana CSB 1 any Matielona, kaominina Antohobe, distrika Betafo. Manana tanjaka 3,5 KW ity fotodrafitrasa ity, tafiditra ao anatin’ny tetikasa 500 CSB hamatsiana herinaratra ny tobim-pahasalamana. Mamatsy vola ny fanatanterahana azy ny Banky iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Lead.