Tselatra

Lehilahy iray naratra voatsindron’ny tavoahangy teny Anosy, ny faran’ny taona teo. Niaraka nisotrosotro tamin’ny namany izy ka raikitra ny ady rehefa mamomamo. Vokany, notsindromin’ireo namany tamina vakina tavoahangy izy ka naratra mafy. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ilay niharam-boina ka avotra soa aman-tsara.

 

Lavon’ny balan’ny polisy teo Anosibe, ny alatsinainy alina teo, ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Dora sy i Vazaha. Nandritra ny hetsika nataon’ny polisy no nahatrarana ireto jiolahy ireto. Malaza ratsy amin’ny fanafihana eny Anosibe sy ny manodidina ry zalahy ireto. Tsy vitan’izay fa efa mpamerin-keloka ihany koa.

 

Tratra teo am-pisintomana entan’ny mpandeha tao anaty taxi-be, teny Isotry, ny jiolahy iray, ny talata maraina teo. Efa mpamerin-keloka izy ity. Polisy mpandrindra ny fifamoivoizana no nahasambotra azy ka nentina nanaovana fanadihadiana. Naverina tany amin’ny tompony ny firavaka volafotsy nalainy an-keriny.

 

Nahazo vahana ny fanendahana teto an-dRenivohitra nandritra ny fankalazana ny fety teo. Maro ireo lasibatry ny sinto-mahery teny Anosy sy Analakely, omaly. Mody miaraka miditra amin’ireo olona marobe mijery fialamboly ireto tontakely kanjo manao ny asa ratsiny. Nisy ireo voaendaka teo am-pisotroana toy ny teo Analakely.

 

 

Partager sur: