Fampivoarana ny fambolena : Hampitomboina 1 tapitrisa taonina fanampiny ny voka-bary

Anisan’ny tohanan’ny Fiaraha-miasa amerikanina ho an’ny fampandrosoana (USAID) ny sehatry ny famobolena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny famokaram-bary.

Misy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) miaraka amin’ny USAID. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny fambolem-bary, hoentina ma­natratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Noraisin’ny minisitra Minae, Hajarison François Sergio, teny amin’ny toeram-piasany Ano­sy, ny alatsinainy 30 desambra 2024 teo, ny tale jeneralin’ny USAID, i Michelle Russell. Fi­haonana nentina nanamafisana ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny roa tonta mahakasika ny fambolena. Ifantohan’ny fanjakana malagasy manokana ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, sahirana amin’ny lafiny ara-tsakafo satria tsy ampy ny vokatra ara-pambolena nandritra ny taona maro izay.
Anisan’ny tetikasa goavana atao any an-toerana ny fampivoarana ny seha-pamokarana, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Ifantohana ma­nokana ny fampitomboana ny voka-bary, mba hahazoana vary akotry fanampiny 1 000 000 taonina isan-taona. Maromaro ny paikady hatao hanatrarana izany. Ny fampitomboana ny velarantany vo­lena. Ny fanarenana ny tanimbary simba na navela. Ny famoronana tanimbary vaovao. Ny fampiasana masomboly sy zezika voafantina.

Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina
Nanamafy ny fanohanan’i Etazonia ny fanatanterahana ny tetikasa ny tale jeneralin’ny USAID. Hisy ny fanohanana ny toekarena eny ifotony amin’ny alalan’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra, hoentina manatsara ny fepetra takin’ny tsena. Ho hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina mba hampitomboana ny karazana tetikasa. Tohanana ny tantsaha mpamokatra sy ny fanatsarana ny teknikam-pambolena. Satria tanjona iraisan’ny fiaraha-miombon’antoky ny USAID sy ny Minae ny hahazoana vokatra mifanandrify amin’ny filan’ny Malagasy sy ny tsena iraisam-pirenena, hanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo sady hampiroboroboana ny toekarena maharitra.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: