Andrebakely Ambatondrazaka : Voamboana 31 sy hazoala 26 tratra

Mbola mitohy ny fandripahana ala any Ambatondrazaka. Tsy handefitra mihitsy anefa ny fanjakana ary tsy maintsy hampiharina ny sazy farany henjana.

Hazo sarobidy voamboana miisa 31 sy hazoala miisa 26 indray no tra-tehaky ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Alaotra Mangoro, tany Andre­bakely Avaratra, Ambatondra­zaka, faritra Alaotra Mangoro, ny fiandohan’ny taona 2025 teo. Tratra tao amin’ny tranon’ olon-tsotra iray ireo hazo tsy ara-dalàna ireo.
Marihina fa zary fahitan’ny olona maro ny fisian’ny fitaterana hazo tsy ara-dalàna, entina amin’ny bisikileta am-polony, mahazaka hazo efatra tsirairay any Ambatondrazaka. Araka ny filazan’ny mponina, tsy nety nitonona anarana, anisan’ny mandalo ao amin’ny fokontany Mangalaza, kaominina Fera­manga, ireo olona mitatitra hazo isa-maraina amin’ny bisikileta ireo, ary tonga ao an-tampon-tanànan’Ambaton­drazaka vao maraimbe. Voa­laza fa avy any amin’ny ala atsinanan’Ambatondrazaka any ny hazo taterin’izy ireo.
Ankoatra izany, tsiahivina fa vao tsy ela akory, ny 27 de­sambra teo, nahatraran’ny zandarimariam-pirenena any Toamasina, kamiao miisa telo nitatitra voamboana miisa 341 sy hazoala miisa 264 tany An­taratasy Ivoloina. Voarohirohy tamin’ity raharaha ity ny zandary miisa 3 sy sivily 9, ary naiditra am-ponja voanjimaika.

Tsy handeferana

Manoloana izao tranga izao, nanamafy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andoni­rina Max Fontaine, fa tsy handeferana mihitsy ny fandripahana sy ny fitaterana antsokosoko na fanaovana trafika ny harena voajanahary. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fandoroana ala. Hampiharina avy hatrany ny sazy farany hen­jana ho an’ireo izay voamarina fa meloka.
Manentana hatrany ny fanjakana, hiantso maimaimpoana amin’ny laharana maitso 955 hiantsoan’izay mahita na mahatsikaritra fitrandrahana na fitaterana antsokosoko ny harena voajanahary.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: