Simba tototry ny fasika ny tohodrano mizara ho lakandrano any amin’ny reniranon’i Manambaroha, any amin’ny distrika Manakara, faritra Atsimo Atsinanana. Zara raha misy 30 ha sisa ny velaran-tany azony tondrahana any amin’ ny lemak’Ambaniala. Manatanteraka ny fanarenana azy ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Tahiry ho fampiasam-bola hampiroboroboana ny fambolena (Fida), sampana ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny asa ny fanamboarana ny lalana any Ambila Manakara, ahafahana manarina ny toby fitantanana ny rano (station de pompage) avy amin’ny reniranon’i Manambaroha, mamatsy rano ny lemak’Ambaniala, izay tokony hamokatra amin’ny lemaka mirefy 675 ha. Mahatratra 60 ha ny velarantany any amin’ny Foibe fampitomboana masomboly (CMS) napetraky ny minisitera Minae, hamatsy masomboly voamarina ho an’ny tantsaha any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.
Efa vita ny 60% ny asa
Mialoha izany, tsy maintsy atao ny fanarenana ny lalana mirefy 2 km any Ambaniala, any amin’ny RN12-Tamboro, ao anatin’ny kaominina Ambila, distrika Mananara, ahatongavana ao amin’ny toerana misy ny toby fitantanana ny rano. Sady hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ihany koa izany. Efa vita ny 60% ny asa fanarenana ny lalana. Manatanteraka ny asa rehetra ny orinasa Unops.
Njaka A.