Efatra no maty, olona iray namono tena, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona, tany amin’ny distrikan’Antsirabe, faritra Vakinankaratra, raha ny tatitra voaray omaly. Raha ny fantatra, maty vokatry ny fibobohana toaka diso tafahoatra ny olona roa tamin’ireo. Maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana kosa ny iray hafa. Azo lazaina fa nilamina ny fety raha ho an’Antsirabe manokana. Anisan’ny olana nosedrain’ny tany an-toerana ny tsy fitandremana sy ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola be loatra.
Naratra mafy ny renim-pianakaviana iray nofaohin’ny taxi-be teny By-Pass, omaly maraina. Handeha hiasa vao maraina izy no voafaoka tampoka teo am-piampitana ny arabe. Nianjera tamin’ny arabe izy. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ka avotra soa aman-tsara. Nandeha mafy ilay taxi-be tamin’io fotoana io ka tsy afa-niala intsony.
Tra-tehaky ny fokonolona ny hazo Palissandre 90 mahery tao Ambolikily, distrikan’i Analalava, ny faramparan’ny taona 2024. Nidina tany ifotony ny lehiben’ny ala tao an-toerana sy ny mpitandro filaminana, ny volana novambra 2024, nijery sy nanadihady ny zava-misy. Fantatra ilay tompon’antoka tamin’io hazo tsy ara-dalàna io ary nosamborina nentina tao Antsohihy. Miandry ny tohin’ny raharaha ny fokonolona hatramin’izao fotoana izao. Efa nisy ny fitoriana nataon’ny fokonolona mahakasika io fitrandrahana tsy ara-dalàna io.