Fanafanana fety aman-danonana: raha tsy namorona ny teo aloha, sahirana ny ankehitriny

Efa zary raikitra ao anatin’ny fiainam-piarahamonina malagasy ny manao « fety » rehefa mandalo ireo vanim-potoana heverina fa lehibe. Matetika, misy hatrany ny mpihira na tarika manafana azy ireny. Ny tena zava-misy marina…

Ao anatin’ny ora maromaro, mandihy, mitotorebika, mitsinjaka, mihira, sns, satria misy ny mpihira manafana ny efitrano. Isaky ny misy «fety», tahaka izany hatrany. Ireo mpihira na tarika mahavita mampifaly ny iray trano no ambara fa mahay. Tsy tazana na tsy heno loatra ny hakanton’ny feo mivoaka. Na somary mivalambalana kely aza, rehefa mahavita mampandihy ny rehetra, ampy izay !
Hatramin’izao, mbola ny sanganasan’ireo mpamoron-kira na feon-kira teo aloha ihany no mitana ampaham-potoana lehibe amin’ireny fanafanana fety aman-danonana ireny. Tsy tazana firy ny sanganasan’ny ankehitriny. Tsy maintsy heno hatrany ny «Mifankatiava ihany». Raha matoritory ny mpanao fety, tairina amin’ny «Avec ton lamba blanc»… Raha mila mandihy rock, tsy isalasalana fa tafiditra ao anatin’ny fandaharan-kiran’ny eny an-tsehatra ny sanganasan’i Johnny Hallyday…

Niteraka fahalainana mamorona ve ny fahitana ny efa misy ?
Fahiny nahaforona ny «Vorompotsy miara-dia…», «Eto ry lala», «Havako anie izy izay», «Je ne peux pas t’oublier», sns, ka nahoana ny ankehitriny no tsy mahavita tahaka izany ? Malaina hamorona ve satria efa misy ny raisina fotsiny ? Tranga iray mety hitarika hatrany amin’ny «fahantran’ny hira malagasy» (tsy ampy sanganasa vaovao) ny tahaka io. Ny tany ambadiky ny 50 na 60 taona no hoentina mameno ny fandaharam-potoana. Misy amin’ireny famerenana ny sanganasan’olon-kafa ireny aza no «manimba» azy ireny. Anisan’ny mitondra faisana amin’izany ny tononkira. «Ny adiady natao fahiny, aza atao lonjony», lasa «ny adiady natao fahiny, aza atao intsony», sns.
Manomboka hita taratra fa tsy ampy mpamorona ny hira malagasy. Na misy ihany fa mety tsy mitovy lanja amin’ny teo aloha, angamba, ka tsy heno firy loatra, na tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharan-kiran’ny fety aman-danonana !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: