Fantina sy fintina

Mangataka ny hisian’ny fitoniana ho amin’ny fampandrosoana amin’izao taona vaovao izao ny filohan’ny fikambanana Tanora miantsehatra (Tamia), Randriama­hefa Benjamina, ny faran’ny herinandro teo. Miantsehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ny Tamia, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy. Tarigetrany nandritra izay 13 taona nijoroany izay ny fandraisana andraikitra tsy misy takalony sy ny ady amin’ny fitiavan-tena.

”Telo taona izao tsy nisy fisondrotan-karama ny mpiasa malagasy”, hoy ny filohan’ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy (Kimm), ny Dr Jules Andria­ma­ho­lison, ny faran’ny herinandro teo. Anjaran’ny go­verne­man­ta ny mitady vola. Efa niteny ry zareo tamin’ny no­vambra hoe tokony horavana ny governemanta fa tsy mahay mitady vola, tsy mahay manova ny haren’i Mada­gasikara ho fototra hahazoam-bola.

“Tsy maintsy hitadiavana vahaolana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao” hoy ny S.E Mon­seigneur Fabien Raharilamboniaina, filohan’ny Fivon­dro­namben’ny Eveka eto Madagasikara, nandritra ny fametrahana ny evekan’i Farafangana, omaly. Tao anatin’izany no nitodihany tamin’ireo olom-panjakana nanatrika tao an-toerana sy nilazany hoe “havoty i Ma­da­­gasikara”.

“Tsy kolontsaina Malagasy ny mivoy fanakorontana”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volami­ranty Donna. Misy ny mpitarika politika mivoy fanakorontanana ary mihantsy ady fotsiny fa tsy mijery ny tombon­tsoan’ny vahoaka sy ny firenena, araka ny nambarany hatrany.

Partager sur: