Indray mijery

Manerana izao tontolo izao, olona 1 isaky ny 24 segondra no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe (OMS 2024). Fanamby hotratrarina ao anatin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD) ny hampihenana ho 50% ny isan’ny olona maty sy maratran’ny lozam-pifamoivoizana amin’ny taona 2030. “Isika eto Madagasikara, mandray anjara feno amin’ny fanatrarana izany fanamby izany”, hoy ny ATT.
Hiverina an-dakilasy, manomboka anio ny mpianatra rehefa nahavita ny fialantsasatry ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Hiditra amin’ny roavolana faharoa indray, hanohy ny taom-pianarana 2024-2025. Any amin’ny 21 febroary any no hanatanterahina ny fanamarihana ny Andron’ny sekoly.
Fotoan’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona eo amin’ny mpianakavy sy ny mpiara-miasa izao hatramin’ny volana marsa. Mitohy, araka izany, ny fihinanan-kanina sy ny fisotroana. Mila mitandrina ihany anefa amin’ny fahasalamana ary tsy tokony hohadinoina ny fampiasam-batana handanjalanjana izany.
Mbola maina ny toetry ny andro saika mane­rana an’i Madagasikara. Tsy misy tsy mikolay amin’
ny hafanana. Betsaka ny tsy mahazaka izany, indrindra ireo marefo, toy ny zaza sy ny zokiolona, ireo manana aretina mitaiza sy ireo reny bevohoka. Mila misotro
rano matetika, lanjalanjaina ny sakafo, atao ampy ny torimaso…

Partager sur: