Araka ny fikarohana natao, hampiantrano ny fifaninanana volley-ball ho an’ny klioba aty amin’ny faritra fahafito, ny nosy rahavavy Maurice. Tsiahivina fa ity no andiany faha-29 amin’ity fifanintsanana ity, ary anisan’ireo hifanintsana amin-dry zareo mpampiantrano i Madagasikara, Comores, Mayottes, La Réunion ary i Seychelles.
Nifindra klioba ao amin’ny JS St Pierroise La Réunion, i Tsito sy i Boura, raha ny vaovao tazana afakomaly. Tsara ny mampahatsiahy fa tao amin’ny St Denis La Réunion, i Tsito teo aloha ary tao St Pauloise Fc kosa i Boura. Anisan’ireo Malagasy mpilalao nanana ny lazany tany an-toerana moa i Tsito sy i Boura.
Tafita hiatrika ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Espagne, « Copa Del Rey », ny ekipan’ny Real Madrid, afakomaly. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, ny klioban’ny Derportiva Minera, mifaninana ao amin’ny diviziona fahefatra any Espagne.
Ilay teratany anglisy, i Luke Littler, no mpilalao zandriny indrindra nandrombaka ny ho tompondaka maneran-tany tamin’ny «flechettes». Fifaninanana natao tany Londres Angleterre, nifarana ny 3 janoary lasa teo. Vao 17 taona monja ny tovolahy kanefa izao efa nametraka ny anarany amin’ity taranja ity izao sahady.