Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo raindahiny iray tao Bemasoandro, fokontany Soa Iombonana, kaominina Talata Tsimadio, distrikan’Arivonimamo, omaly maraina. Mpameri-keloka, efa voasaringotra tamin’ny fanafihana tao amin’ny tanànan’Ambohimasina izy.
Mpanendaka nandroba telefaonina voasambotry ny zandary, tao Toamasina, ny alin’ny talata 7 janoary teo. Nosintomin’io tontakely io ny finday teny amin’ny ramatoa iray. Niantso vonjy ity farany ka sendra ny zandary ilay olon-dratsy.
Dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra tao Anivorona, distrikan’i Bekily, ny 6 janoary teo. Naka mpivady natao takalonaina ireo dahalo tao amin’ny tanànan’i Tsiagnerena. Nanara-dia ny mpitandro filaminana ka tratra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Nanaiky hitoroka ny namany izy. Raikitra ny fifandonana rehefa tonga tamin’ny toerana voalaza ka nahalavo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Avotra kosa ilay takalonaina.
Renim-pianakaviana namoy ny ainy vokatry ny daroka nataom-badiny tao amin’ny fokontany Ambodipona, kaominina Bealampona, distrikan’Andapa, ny 5 janoary teo. Tsatoka antsy no nahazo azy. Nezahan’ny akaiky azy nentina teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy.