Vaovao ratsy ho an’ny ekipam-pirenena frantsay, taranja rugby, ny faharatrana mahazo an’i Jonathan Danty, mpilalaon’ny Stade Rochelais Frantsa. Ny XV de France, izay hanao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja rugby, na “6 Nations”, amin’ny 4 febroary hatramin’ny 18 marsa ho avy izao. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, tsy afaka hanao io fifaninanana io ny tenany.
Tsiahivina fa voadona ny lohaliny havanana, ka tsy afaka hiakatra kianja mandritra ny telo volana ny lehilahy. Raha hiverenana ny zava-nisy, tamin’ny lalao nihaonan’izy ireo tamin’ny Perpignan Frantsa no nahazoany ny ratra.
Ankoatra izay, manahy mafy ny tsy hahafahan’i Jonathan Danty miatrika Mondial ireo mpankafy frantsay. Niely tao an-toerana fa ahiana ho tapitra tanteraka ny taom-pilalaovana 2023 ho azy. Noho izany, mety tsy afaka ny hanao Mondial 2023, izay atao ao Frantsa, ny 8 septambra hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao koa, ity mpilalao ity.
Fitia (Mpianatra asa)