Fantina sy fintina

Hatao any Nosy Be, ny avrily izao, ny fivorian’ ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, afakomaly, teny Iavoloha. Hotanterahina eto amintsika, ny volana aogositra kosa, ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc.

Nitory ny “24h Mada” teny amin’ny sampana heloka ana habaka, teny Anosy, afakomaly, ny antoko HVM. Anton’izany ny fanehoan’ny mpikambana iray ao anaty tambajotran-tserasera fa mpikambana ao amin’ny HVM ilay mikotrika fanonganam-panjakana. “Olona efa maty anefa no ambaran’izy ireo ao”, hoy Rakotovao Rivo.

Hanafaingana ny fanadihadiana mitohy ny eo anivon’ny Bianco sy ny Samifin. Hifanakalo angom-baovao sy loharanom-baovao ary antontan-kevitra ho fanamafisana bebe kokoa ny ady amin’ny kolikoly sy ny heloka bevava ara-bola izy ireo. Natao izany hanamorana ny famerenana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna.

Nanentana ny eo anivon’ny Mafami ny filoham-boninahitra, ny Jly Ravalomanana Richard, ny amin’ny tokony hanamafisana sy hitandroana ny fihavanana; ny toe-tsaina mandala ny firaisankina. Eo koa ny hanohanana ireo mamiratra ao anatin’ny fikambanana. Niarahaba azy noho ny taona vaovao ireo avy amin’ny Mafami, afakomaly, tetsy Anosy.

Partager sur: