Vaovao tambatra

Ho tapaka ny fifamoivozana amin’ny lalam-pirenena faha-2. Voakasik’izany ny eo amin’ny PK 61 hatramin’ny PK63, anio zoma, ny talata 14, ny zoma 17, ny talata 21 ary ny zoma 24 janoary. Antony, noho ny fanapoahana vato ilaina amin’ny fanamboaran-dalana. Tsy misy ny fivilian-dalana, mandritra ireo fotoana ireo.
Tsy ampy 100 000 t ny vokatra siramamy eto amintsika, ka tsy maintsy hafarana avy any ivelany. Mahatratra 190 000 t ny filan’ny mpanjifa, raha 90 000 t ny vokarina eto an-toerana. Mamokatra fary betsaka anefa ny tapany atsinanan’i Madagasikara, ka anisan’ny hamaha olana amin’ny famoaham-bokatra ny fisian’ ny  “Lalan’ny Masoandro » ataon’ny fanjakana.
Vinavinaina hisondrotra hatrany amin’ny 5,8% ny harinkarena faobe ny taona 2028. Vinavina mifototra amin’ny kajikajy amin’ny fampiasana ny maodely ara-toekaren’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Marihina fa niakatra 3,5% ny harinkarena faobe teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2018 ary nidina hatrany amin’ny -7,1% izany ny taona 2020.
19 karazana ireo vokatra naranty nandritra ny Tsenaben’ny masomboly natao tany amin’ny faritra atsimo. Hita tao anatin’izany ny masomboly katsaka, lojy, ampemba, legioma ary voamaina maro samihafa. Mitotaly hatrany amin’ny 1 113 taonina izany, entina hampiroboroboana ny famokarana any amin’ny faritra atsimo.

Partager sur: