Fampirantiana hosodoko etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Mpanatalenta 17 no mampiranty ny sanganasany eny an-toerana. Mandray anjara amin’ilay hetsika iraisam-pirenena, amin’ny fanatrarana ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra izy ireo, izay miainga avy any amin’ny ZeeArts any Dubaï. Nisy ny fikotrehana nandritra ny 24 ora, namoahan’ireo mpanakanto ny aingampanahiny.
Revy Lôlô sy ny tariny, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Hisantatra ny “cabaret” amin’ity taona 2025 ity ry Benny, Bebey ary i Nini Kolibera. Efa fotoana ifanomezana amin’ireo mpankafy ihany, satria efa zary fanao izy ity. Ankoatra ireo hira efa mahazatra kanefa be mpankafy hatrany, hamerina ireo hiran’ny Lôlô sy ny tariny tsy dia faheno firy intsony izy telo lahy.
Fampisehoana mazia, etsy amin’ny Djembe Discothèque Antaninarenina, manomboka amin’ny 10 roa alina. Ny N’art magic no haneho ny fahaizany mandritra izany. Manomboka amin’ny hakingan-tanana tsotra io, hatramin’ny fanehoana ireo mazia tsy takatry ny saina isan-karazany.
Horonantsary, sary pika, sary sikotra, hosodoko, tenona sy zavakanto maro samihafa no nandrakavaka ny Fondation H Ambatomena, nandritra ny fampirantiana “Memoria : récits d’une autre histoire”. Malagasy mpanakanto sy vahiny miisa 22, avy amina firenena 14, no nifandimby nandranty ny zavakantony nandritra izany.