Fantina sy fintina

Nitaky ny fampitahana ny taratasy firaketana voka-pifidianana (PV) avy any amin’ny Ceni sy ny avy amin’ireo kandidà, i Fanirisoa Ernaivo, araka ny fanehoan-keviny, omaly. “Fomba iray ahafahana mamoaka valim-pifidianana tena izy sy marina izany”, hoy izy. Nanteriny fa tsy hanaiky ny voka-pifidianana feno hosoka sy tsy nanara-dalàna ny tenany.
Nirary soa ny filoha Rajoelina mivady, teny Iavo­loha, ireo eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sy ireo rafitra miaro ny zon’olombelona sy ny demokrasia. Nam­baran’izy ireo fa miara-dia amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny andraikitra nankinina aminy izy ireo. Anisan’ny teny an-toerana ny avy amin’ny CSI, ny HCDDED, ny CNIDH, ny lehiben’ny mariboninahitra…
Matoky ny haitarika eo amin’ny filoha Rajoe-lina ireo avy amin’ny antoko politika, manohana ny fitondrana, araka ny nambaran’izy ireo teny Iavoloha, afakomaly. Nirary soa ny filoha mivady noho ny taona vaovao izy ireo. Nanamafy ny fanohanany ny fitondram-panjakana, indrindra ny amin’ny fitantanan’ny filoha ny firenena sy ny vina entiny.
Nanao ranolava nifandimby ny fiarahabana ny filoha Rajoelina mivady, afakomaly, teny Iavoloha. Ani­san’izany ny eo anivon’ny Antenimierandoholona sy ny avy amin’ny Antenimierampirenena. Tahaka izany koa ny praiminisitra sy ireo mpikamban’ny governemanta. “Hampisongadina antsika sy hanohizana ireo ezaka hampandrosoana ny firenena ny taona 2025”, hoy ny filoha.

Partager sur: