Nanome tohana ara-bola hoentina mikarakara ny atrikasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony, hotanterahina ny 23 sy 24 janoary ho avy izao, ny Direct Aid. Manamarika ny fitohizan’ny fiaraha-miasa sy ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara izany.
Mitohy hatrany ny fitsinjarana ireo fanampiana nanoloana ny voina haintrano tao amin’ny kaominina Ivandrika, distrika Farafangana, ahitana tokantrano traboina miisa 605. Fitaovana sy kojakoja maro ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy hoenti-manarina ny simba no nozaraina tamin’izany, nahitana vary, fitaovana ilaina an-dakozia, fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy, ronono, menaka….