Seho an-tsehatra. Nahasarika tanora i Jyeuhair. Teny amin’ny Ony House Ambatobe no nanatanterahiny ny seho an-tsehatra voalohany teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Tontolon’ny rap no ahafantarana ity mpanakanto manana ny lazany ity. Anisan’ny fitaratra eo amin’izany izy noho ny fananany asa famoronana miavaka.
Hanamarika ny faha-20 taonany ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo. Hetsika hotontosaina ao amin’ny efitrano fanaovan-danonan’ny Md François d’Assise Andravoahangy. Fantatra fa fanombohana ihany izy ity. Marihina fa ity faritany ity no anisan’ny manana mpikambana maro eo anivon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy.
Hirotsaka bebe kokoa eo amin’ny sehatry ny fizahantany ny mpampianatra ny taranja malagasy. « Tsy mifanipaka fa mifameno tsara ny maha malagasy izay anisan’ny ampianarinay any an-tsekoly sy ny filan’ny mpizahatany. Noho izany, aleo omena hery ity tontolo iray ity mba ho fampandrosoana an’i Madagasikara », hoy ny nambaran’izy ireo.
Tafiditra ho anisan’ny fampandrosoana eny ifotony ny fanatanterahana asa mahasarika ny hafa. Goavana indrindra amin’izany ny zavakanto. Nanapa-kevitra ny fikambanana Manasoa fa hiaraka hiasa mivantana amin’ireo mpanakanto eny anivon’ny fokontany eny Antananarivo Atsimondrano. Izany no hatao dia mba hampivelatra ny talentan’ireo mpanakanto sy hampiavaka ny tanàna tsirairay.