Taorian’ny andro nahafantarana fa niverina ao amin’ny klioba Ratchaburi FC Thailand Rakotoharimalala Njiva, tazana fa tompon-toerana avy hatrany izy afakomaly. Nahita fandresena tamin’ny isa 2 no ho 1, nanoloana ny Uthai Thani, ny klioba misy an’i Njiva, ary 73 minitra ihany ny fe-potoana nilalaovany teny ambony kianja.
Nalain’ny klioba Saint Louis Seychelles, i Timain sy i Ranona, mpilalaon’ny klioba FC Rouge Vakinankaratra. Tsiahivina fa afakomaly izy mirahalahy ireto no niainga teny Ivato. Telo taona nitsanganana izay ny FC Rouge, ary izy roa lahy irery izao no lasa mpilaravinahitra any ivelan’i Madagasikara.
Tsy mbola misy resaka ny fahatongavan’ireo mpanara-maso ny kianja aty Afrika avy amin’ny Caf eto Madagasikara. Tsiahivina fa efa fotoana maro izay ny Malagasy mpankafy baolina kitra no tsy nahita lalao teo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, noho izy io tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf. Andrasana moa izay fivoaran’ny toe-draharahara.