16,2 miliara Ar no nentin’ny tetikasa Fihariana nanohanana ireo mpandraharaha manerana ny Nosy, ny taona 2024. Mbola hitohy ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika azy ireo amin’ny fananganana orinasa amin’ ity taona 2025 ity. Nahafahana nanakaiky ny mpandraharaha tokoa ny taona 2024.
Mbola tsy nahavonto tany ny filatsahan’ny orana hatramin’ny sabotsy teo. Miandrandra ny hirotsahan’ny orana ireo tantsaha hahafahany mamboly sy mamokatra indray. Tafiditra anatin’ny vanim-potoan’ ny fahavaratra isika izao saingy tara na tsy misy ny orana ho an’ny faritra Analamanga.
Nisitraka trano tantely miisa 10 ireo mpiompy ao amin’ny fokontany Ambohimandroso, faritra Fitovinany. Zezika sy masomboly vary X265 sy Mihary no natolotra ho fanomanana ny fotoam-pamokarana. Nozaraina zanak’akoho miisa 300, narahina vary akotry, ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Tataho.
Mbola tsy nidina ny vidim-bary eny an-tsena. Tafakatra 4 200Ar ny kilaon’ny vary makalioka raha 1 200Ar ny kapoaka. Velon-taraina ny mpanjifa manoloana ny fiakaran’ny vidim-bokatra. Manahy ny hiakaran’ ny vidin’izany hatrany ny rehetra na eo aza ny vahaolana naroson’ny filoham-pirenena.