Valifaty politika ahina hihitatra hatramin’ny maha olona sy tsindry ara-tsosialy ka mety hitarika fiforonana valanaretina maro samihafa ny trangan-javatra miseho ao amin’ny fokontany maromaro eo anivon’ny kominina ambanivohitr’ i Maromitety, niatomboka ny 12 desambra lasa teo.
Samson na Sonina, zandary misotro ronono ary efa nihazona ny andraikitra lefitry ny ben’ny Tanàna sy filohana filankevitry ny kominina ambanivohitr’ i Maromitety, nitondra fanazavana fa taorian’ny tsy fitarihan’ny ben’ny Tanàna am-perinasa sy ny lefitra voalohany. Ity farany izay miandraikitra ny rano fisotro madio eo anivon’ny kaominina. Samy kandidà rahateo izy roa lahy nandritra ny fifidianana farany teo ary samy tsy nitarika tamin’ny isam-bato ny 11 desambra, tsy niandry ela, tapaka ny rano fisotro madio niantomboka ny 12 desambra raha efa notapahina nialoha izany tao amin’ny fokontany Ambodimanga Sahavaviana sy Antsirakoraka izay fiavian’ny kandidà mpifaninana, raha ny fanazavana.
Miverina mantsaka an-drenirano
Antsojay amin’ny maha olona izany, raha ny fanazavan’ny fokonolona, tsy tokony hisy fifandraisana ny politika sy ny tsy fitariham-bato tamin’ ny fifidianana sy ny zo ho an’ olombelona hisitraka rano fisotro madio, manao antso avo amin’ny mpitondra mahefa ny fokonolona sy ireo nanaovana fanadihadiana.” Amin’izao, efa miverina mantsaka amin’ny reniranon’ i Iazafo indray izahay, maloto satria betsaka ny zavatra ataon’ny olona eny ambony eny na ny mety ataonay eto kanefa ny rano mikoriana ka mety hankarary izay rehetra handalovan’izany. Efa nisy rahateo ny olona sahy nanary fatim-bibilava teny an-drano, eo ny manasa zavatra rehetra malotony, ny trano fivoahan’ny fianakaviana sasany rahateo amoron-drano, ny mpaka fasika manginy fotsiny. Ankilany, tombony nefa ireny rotsakorana nentin’ny rivodoza Dikeledi ny sabotsy teo, ireny. Aorian’ny fiatoan’ny rotsakorana, samy hiverina hantsaka an-drenirano maloto ny fokonolona.
Ahina ny valanaretina
Nohamafisin’ny fokonolona fa, taloha, voalohany tato anatin’ny distrikan’ i Vavatenina tamin’ny fiparitahan’ny valanaretina bilarziozy ny kaominina Maromitety, izany indrindra no nahatonga ny mpitondra tao an-toerana nangataka ny mba hisitrahana rano fisotro madio. Kanefa, hanaovan’ny ben’ny Tanàna am-perinasa, kandidà farany teo, antsojay politika ny aim-bahoaka. “Amin’ izao fotoana izao, efa betsaka ny aretim-pivalanana sy mikohoka ka ahina ny hitaran’izany ho valanaretina maro samihafa raha tsy miverina mandeha haingana ny rano fisotro madio.
Tsy ampy sakafo…
Amin’ny ankapobeny, sahirana ny mponina amin’ireo fokontany maromaro anivon’ny kominina ambanivohitra Maromitety. Nandritra ny fanadihadiana natao tany an-toerana, nahitana tokantrano vitsivitsy efa tsy mihinana vary amin’ny atoandro na hariva fa soanambo no solon-tsakafo, ka indray mandeha isan’andro no mihinam-bary, ny maraina mazava hoazy. Nohamafisin’ny renim-pianakaviana iray fa tsy fisakafoana ara-dalàna, miampy fisotroana rano maloto, handreraka aina ka hanamora fiforonana karazana aretina.
Lafo ny vary, vidiana 1 900 Ar ny kapoakan’ny vary fotsy, raha 800 Ar ny akotry. « Izaho handeha hamarotra ny akohoko koa raha lafo ity vao hividy vary sy zavatra hatao laoka, sahirana izahay aty », hoy ity renim-pianakaviana ity. Nohamafisin’izy ireo fa nisy fiantraikany tamin’ny fambolena sy ny fiveloman’ny mponina ao an-toerana ny tsy fisian’ny orana nandritra ny fotoana lava, teo rahateo ny tsy fahavokaran’ny letisia sy ny jirofo, ahina ny mety hisian’ny mosary raha izao no mitohy, raha mosary ny olona no sady mampiasa rano maloto, haingana ny fahatongavan’ny tsimokaretina.