Fantina sy fintina

Tokony ho tratra tsara ny tanjona “Madagasi­kara anjakan’ny fahitsiana amin’ny taona 2030“, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina teny Iavoloha, afakomaly, tamin’ny filankevitry ny minisitra. Nanteriny fa tafiditra ao anatin’izany ny fanafoanana ny tsimatimanota, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa handravana ireo tambajotrana kolikoly, ny fahamendrehana …

Noraisin’ny filoha Amerikanina, Joe Biden, ny ambasadaoro vaovao, Rakotomalala Lantosoa, afakomaly, tao amin’ny Maison Blanche Washington. Nato­lony tamin’izany ny taratasy manendry azy ho masoi­vohontsika any amin’ity firenena ity. Anisan’ny voaasa hanotrona ny fametrahana ny filoha vaovao, Donald Trump, ny alatsinainy izao koa tenany.

Tapaky ny filankevitry ny minisitra ny fananganana ny “Bureau des doléances foncières”. Natao handraisana ireo fitarainana momba ny ady tany manerana ny Nosy izany. Mahaleo tena tanteraka ity rafitra ity ary afaka hanatonan’ny mpiray tanindrazana, misedra olana amin’ny resaka ady tany.

Hivoaka anio ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, ho an’ny faritanin’Antana­na­rivo. Hanomboka amin’ny 10 ora, etsy amin’ny Tribo­naly misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) izany. Hanaraka izany, ny alatsinainy izao ny hamoahan’ny Taf any amin’ny faritany dimy hafa ny voka-pifidianana natao ny 11 desambra teo.

Partager sur: